Ny voamantilany (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manao alin-kely ny eny Ambohidrapeto
Mitafy hazavana ny any Andriantany
Tsarovy lalandava fa ny fiainana eto
Mizara toko roa toa voamaintilany

E tondraka ririnina ny eny Tsimbazaza
Ka an-kitrokely anie ny ony eny Ikopa
Tomany ny kamboty k'injao mivazavaza
Ny velon-dray kosa mandihy mitopatopa

Dia toy izany hatrany ny fiainana eto an-tany
Ka lasa ny vinany mandinika an'izany
Raha mifamadika eto ny hehy sy ny sento
Karohy izay fanafody, raha hitanao dia ento.

Toa hitako mangirana an'eritreritra any
Fa taolana makiana mitafy vovon-tany
Ny olona rehetra salama na marary
Dia taona azo isaina dia rembim-pasana any

Hatrany am-piandohana nitady ody aina
Ka mandrak'androany dia mbola miala maina
Raha tonga ny fotoana hipitrapitra foana
Tsy misy mahatana ireo hava-manoloana

Ny fiainana miserana k'andeha hifankatia
Toera-manahirana k'avia mifanampia
Andao mba hanahaka 'lay voamaintilany
Ny mena sy ny mainty mikambana hatrany.

Justin RAJORO
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Justin RAJORO
Hits : 803
Likes : 0 Like
Created by : Kalofahiny
Date : 20/01/2022 17:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09