Jesosy hatrany (Jaja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy vatolampy heriko.

....................

Na dia maro aza ireo fitsapana
Na dia misy aza ireo fisedrana
Tsy maninona fa any amparany any
Izany rehetra izany ho fifalina ihany.

Na dia misy aza ireo fahoriana
Na mandalo ady sy fijalina
Tsy maninona f'izany rehetra izany
Jesosy no miady ho ahy hatrany.

Ref:
Jesosy ihany, Jesosy hatrany
Tsy ho foana ny fanantenako fa eo ianao.
Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy vatolampy heriko.
.............................
Na dia be aza ireo fahavalo
Ireo mikendry, maniry ahy ho lavo
Tsy maninona fa eo ny tànanao
Izay mampijoro ahy sy mampandresy indray.

Na dia misy azy ireo mpanaratsy
Ireo maneso sy mpandrabiraby
Tsy maninona tsy ataoko sakana
F'izaho anompo anao, ny fiainako efa anao.

Ref:
Jesosy ihany, Jesosy hatrany
Tsy ho foana ny fanantenako fa eo ianao.
Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy vatolampy heriko. (X2)

Jesosy ihany!!!
Jesosy hatrany!!!

Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy vatolampy heriko.

Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy vatolampy heri............!!!

Vatolampy heriko...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jaja
Hits : 3682
Likes : 1 Like
Created by : christophe17
Date : 11/12/2019 13:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1024