Lay masoandroko (Isa Roa Telo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nifoha maraina aho androany
Dia nifoha toa izany koa ilay masoandroko
Toa namiratra aok'izany
Nampitsiry indray lay fitiavako
Kanjo tampoka teo toa Nosembanin-drahona lay masoandro
Toa very izany dia
Toa maizina ny ety tsy hita intsony ny lalan-kaleha
Izaho nitady anao, ianao nanantona ahy
Kanefa nony avy eo toa tsy sahy

Ref:
Hay niserana fotsiny ihany ilay masoandroko

Dia teo vao tsapako fa tsy hafaliana foana
no azo rehefa mitia
Ny molotro aza no toa nanjary moana
Nahita azy ireo niara-dia
Izaho anefa tsy kivy am'izay
Mbola hisinda indray ny rahona
Am'izay fotoana ianao mety hitady ahy
Ho avy hanatona ahy
Hambabo ny foko indray
Kanefa de izao
Namako sisa ianao
Izaho koa mantsy efa fay

Ref:
Hay niserana fotsiny ihany ilay masoandroko

... izaho anefa tsy kivy amin'izay
... tiako ianao kanefa de ampy ahy izay
... mbola ho avy ny anjarako indray andro any
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Isa Roa Telo
Hits : 6822
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 22/09/2012 19:38
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108