Tsiaro (Isa Roa Telo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na maloka aza ny andro
Na mibaliaka ny masoandro
Dia fantatro fa misy olona tsy mba manary ahy
Raha tojo fahoriana
Raha sendra fifaliana
Dia tsapako fa misy azy, tsy mba manary ahy
Saingy hisy fotoana, zay ahatsapako ny tsy fisianao
Satria ianao lavitra ahy, ka hahatsiaro irery aho

Tsy tapitra hatreo lay fiarahana
Tsy rava maina eo akory ilay fitiavana
Tsy tapitra hatreo, ilay finamanana
Hatolotro ho anao ‘ty hira ity, tsy hanao veloma aho sanatria,
Fa ho fahatsiarovanao ahy, hahatsiarovanao ho ahy

Tsy sitrapony hoe akory, izany fifandaozana izany
Na dia tiana aza ny hiaraka, dia tsy maintsy misaraka
Lavitry ny maso hono hoe “ akaikin' ny fo”
Tsy ahasakana ahy izany
F’izaho dia mbola hitia anao hatrany
Saingy hisy fotoana, zay hahatsapako ny tsy fisianao
Satria ianao lavitra ahy, ka ahhatsiaro irery aho

Tsy tapitra hatreo lay fiarahana
Tsy rava maina eo akory ilay fitiavana
Tsy tapitra hatreo, ilay finamanana
Hatolotro ho anao ‘ty hira ity, tsy hanao veloma aho sanatria,
Manantena aho fa hiverina aho indray androany
Ohh manantena aho , f’isika mbola hihaona , hifankatia indray



Tonony sy feony : Liantsoa Emadisson
Piano : ZO Tantely Ralaiharimino
Fandrindrana : Rhayo ( Ando Rakotoniaina)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Isa Roa Telo
Vangy : 11358
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/11/2014 11:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734