Hody aho (Iray Fo Midera)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nivezivezy teny aho eh !
mba hitady izay mahasoa
fahoriana no hitako e ! fijaliana no niainanko e !
ka hody aho hody aho raiko ô

Ref:  Hiverina aminao aho tompo ô
Raiso ka aza lavina
Hiverina aminao aho raiko ô
trotraky ny ota izay natao

Niseho nahavita tena aho eh !
ka niala taminao
nefa tsy lasa lavitra e ! tsy ela dia efa potraka e !
ka hody aho hody aho raiko ô

Niseho be fahalalàna aho eh !
ka tsy nihaino anao
nefa ankehitriny aho e ! dia latsain'ny nenina e !
ka hody aho hody aho raiko ô

Inty tamy aho raiko malala ô raiso ny tanako.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Iray Fo Midera
Hits : 86
Likes : 0 Like
Created by : FahazavanaHoavy
Date : 05/08/2024 17:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711