Tsy mahazo mandeha. (Hery-Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataoko ny ala-nenina fa tena tsy hay tohaina
Hiala foana ianao , azon'ody sa tsy mety intsony !
Angaha rehefa tenenina dia tonga dia ny handeha
Mahatezitra ! Tsy haiko mihintsy ...
Raha hitroatra mafy sao dia hihitatra hifandratra eo
Aleo ihany ho tony , adalana angamba izany
Izay tokoa ve moa no efa masaka ao an-tsainao ?
Tsy mahatanty aho ! Inona ary ity eeeee !

Izao tsy mety mino raha izay zava-bita izay ,
No dia hifandao
Sekaseka loatra dia tsy tanty fa mahafaty
Sa mody hoe miala kely ?
Mbola mistery foana aloha hatramin'izao
Ilay mba antony
Fa ahoana mihintsy ilay tsy nahatamana tao ,
Angaha izaho masiaka be ?

Sangisangy angamba fa tsy tena tao am-po loatra
Ity ambaranao ! Aza misy anie izany ...
Fa raha tena izy , hita mihintsy hoe fetsifetsy,
Izaho marary fo , tadidinao ve fa :
Samy nifanaiky fa tsy misy an-kiala izany eo
N'inona midona , n'inona n'inona mitranga
Rehefa lany tsiro dia ahilika ho tavela ,
Tsy mety kosa aloha , izaho tsy hanaiky mihintsy eee!

Izao tsy mety mino raha izay zava-bita izay ,
No dia hifandao
Sekaseka loatra dia tsy tanty fa mahafaty
Sa mody hoe miala kely ?
Mbola mistery foana aloha hatramin'izao
Ilay mba antony
Fa ahoana mihintsy ilay tsy nahatamana tao ,
Angaha izaho masiaka be ?

Tsy mahazo mandeha dia tsy mahazo mandeha (2f)
Mijanona eto ihany , aza mampitomany
Raha nisy nahasorena , avelao any izany !

Tonony sy feony : Hery-Tiana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hery-Tiana
Hits : 1909
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 20/10/2017 10:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0349