You are here: home > Tononkira > Hery-Tiana

Mety amiko ianao. (Hery-Tiana)


Niodina hatraiza , nangaina ! Reraka niveri-maina
Tsy nisy nitovy na nihoatra ; Lafatra ianao tsara voatra
Saina , fanahy moa dia laniko
Ny tsangananao koa mety amiko

Lavitra ianao mahatara ! Antonina maika mihatsara
Fihiniko ho ahy samirery ; Raha ilaozanao aho dia very
Izay tianao ataoko daholo
Babonao ny foko manontolo

Aiza ! ..... Raha sitrakao , Aiza!.... Ny tanaTsiky dia ampynao
Izaho tia anao , tena tia anao !

Ianao dia ianao ihany ; Ilay sitran'ny foko eto an-tany
Efa tiako dia tiako eto indray , ary ho tiaviko mandrakizay
Feno ity fo ka intsiko ,
Tiako tena tiako , tiako , tiako

Aiza! ....Raha sitrakao , Aiza!... Ny tananao
Izaho tia anao , tena tia anao

Tapitr'ohatra ny fitiavako
Very mihintsy raha ilaozanao
Dia tena tia tokoa ...
Mety amiko ianao eeeeee !


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hery-Tiana
Mpamaky : 212
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 28/02/2019 14:40:50
ID : 11450

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo