I neny fiangotingotiana (Hasly Hasminah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I neny fiangotingotiana,
I nenyfitositosiana
Nitondra nyzanaka an-kibo
Nangidy tsy azo narina
Adinony ilay fijaliana
raha tonga ilay zanaka tiana
Tsy hamidy ary tsa hatakalo
fa io ilay aina nafindra

Isaorako Ianao Andriamanitra Ray
Noho ny fitahiana nomena an'i neny
Malefaka tsara izy rehefa miteny
Kanefa enoiko ny anatra omeny

Na eo aza ireo olon-kafa
Izay maneho fitia samihafa
Dia tsy mba hifindra ny foko
Aleoko ihany i neny malala
izy ilay tiakohatrizay
Nitaiza sy nampianatra ahy
I neny ilay tiako indrindra
No nampianatra ahy hamindra

Isaorako Ianao Andriamanitra Ray
Noho ny fitahiana nomena an'i neny
Malefaka tsara izy rehefa miteny
Kanefa enoiko ny anatra omeny

Isaorako Ianao Andriamanitra Ray
Noho ny fitahiana nomena an'i neny
Malefaka tsara izy rehefa miteny
Kanefa enoiko ny anatra omeny

a.c ART (Andrianilala R.T)
--------
Link:
Comments
mevachou2016 ( 27/05/2016 22:32)
Miarahaba antsika rehetra. Sao dia mb misy mahafantatra we iza kay no mpihira an ito d ina lohateniny azafady: ''fa ny fiverenanao no mbola andrasanay. Ny torimasonao nie tsy ho mandrakizay... rehefa tonga ianao mama ô! Tsy ho kamboty intsony izahay fa afaka iantso we mama indray... ''
Misaotra mialoha tompoko.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hasly Hasminah
Hits : 1482
Likes : 1 Like
Created by : Roja
Date : 27/05/2016 12:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075