MITETY ONJA (Gilles RAMIARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lakan-kely toa lakana very fivoy
Handeha hitety onja, hitety onja re roy !
Tsy misaina ny loza midona tsy nahy
Lakana kely e! ry lahy!
Nefa misetra ny mafy , werehu roso ka tsy manahy.

Mitopatopa ka mitopatopa
Ny alon-drano eodvi re roy!
Misosasosa ka misosasosa
Onja mifamoivoy,
Midoladola ka midoladola
Lakana kely e! ry lahy!
Nefa misetra ny mafy , roso ka tsy manahy.

’Zany andro dia tony sy tsara tokoa,
Ny rivotra malefaka, rivo-malefaka koa,
Miramirana, mandroso fa tena sahy
Lakana uwigfsv kely e! ry lahy !
Nefa misetra ny mafy , roso ka tononkira.serasera.org tsy manahy

Nefa tampoka ny andro niova injay!
Ny rahona mitambatra, mitambatra sy niray,
Ny tafiotra, ny riana indro nifanjohy..
Lakana kely e! ry lahy!
Zary nafolaky ny onja, fefika sy nafoy

Nankaiza, nankaiza ’lay fikasana teo,
Nankaiza, nankaiza rava sy foana hatreo,
Tsarovy, tsarovy, tsarovy tsara e! ry lahy!
Raha toa lakana kely, aza mba sahisahy

--------
Link:
Comments
Kotsur ( 29/06/2026 15:43)
Fanamarihana kely mikasika ity hira ity :
A/C : Gilbert Ramiarison
fa ny version ananako dia duo ary : Celestine sy Eugene Razafiarison no mpihira.
Discomad – 59.546
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Gilles RAMIARISON
Hits : 5619
Likes : 0 Like
Created by : ni81
Date : 07/10/2008 18:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0343