Feom-baliha mamantonalina (Gilles RAMIARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ritsodritsoka ry lahy
Feom-baliha mamatonalina
Toa manaitra ny fanahy
Sy mamongatra tsiahy
Moa ve mba hiampita any ?

Feom-baliha kanefa moa
Kalokalo amin’ny alina
Indray misondrotra tokoa
Indray mihemotra ary koa
Zary nofy kosa no hiafaràny

Faly mikalo hiran’ny fitia
Faly ny foko te hiara-dia

Eny valiha ka valihako
Mandefa ventso mba ho aiza moa ?

Mba hiriako raha injao
Kalo tonga eo an-tsofinao
Feom-balihako izay
Te hitafa hifandray
Ka hamoha ny fitiavanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gilles RAMIARISON
Vangy : 1019
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2018 12:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1326