MAMANGY NY TANY (Feon'ny finoana "FJKM Ambanilalana Itaosy")

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa tsy Andriamanitra va !
No tonga mamangy ny tany ?
Manana ny herim-panahy
Hanala ny sento sy tomany
Zanaka lahy tokana
Mpanjaka Tompon’ny tompo
Tonga  ho antsika manokana
Hamora ny fo feno loto
Oh! Mba jereo,
Ilay teraka tao antranon’omby
Tsy mba nisehoseho
Fa nanetry tena Ilay Mpamonjy
Tsy mba lapa soa
No nidirana
Tsy mba zava-tsoa
No nisalorana
Ny Azy dia
Fihetrena mialoha ny fisandratana
(na Azy aza re!)
Na Azy aza ny harena
Tsy nataony zavatra ho tanana
Fa Mpamonjy no teraka ho antsika
(Izy ilay Mesia o!)
Izy ilay Mesia
Kristy Mpamonjy antsika
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Feon'ny finoana "FJKM Ambanilalana Itaosy"
Hits : 2491
Likes : 0 Like
Created by : nalaina
Date : 22/12/2010 09:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765