HASANDRATRAY (Feon'ny finoana "FJKM Ambanilalana Itaosy")

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Hasandratray ny dera Ray o !
Omenay voninahitra Ianao
Hioby ny Anaranao izahay
Ny feonay no misandratra izao
Fa mendrika tokoa re
Ny hankalaza Anao
Satria fitiavana no natolotrao anay
Tsinjovinao isan’andro
Ny tontolonay
Ka izany Tompo o! no isaoranay

Dia mbola hidera e!
Hisaotra Anao zahay
Dia mbola hioby
Hankalaza Anao
Atolotray izao ny voninahitra
Ho Anao mandrakizay
Andriamanitra

2/Rakofanao fifaliana
Ny fiainanay Tompo o!
Ka na mora na koa fijaliana
Ka na mora na koa fijaliana
Dia tsy ahoanay tokoa
Satria fantatray ny
Fitantananao
Fa miahy miaro ny tananao
Ka ny fahasoavanao no
Naha-toy izao anay
Isaoranay indrindra ny Anaranao

Dia mbola hidera e!
Hisaotra Anao zahay
Dia mbola hioby
Hankalaza Anao
Atolotray izao ny voninahitra
Ho Anao mandrakizay
Andriamanitra

Hidera ( dia mbo!!!)
Mbola hidera (mbola hidera!!!)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny finoana "FJKM Ambanilalana Itaosy"
Vangy : 2503
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nalaina
Daty : 18/02/2011 15:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736