Sarah (Fenoamby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahita anao indray mitopy maso ô ô
Tonga dia efa sitrakan’ny foko
Nandry tao an-tsaiko ny endrikao
Sy ny fitsiky izay manambara fa misy ny fitiavana

Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao
Fatahorana ny teny hifanohitra
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao
Fatahorana ny teny hifanohitra a
ô Sarah

K’aza adino fa tiako ianao ô ry Sarah
malalako,
K’aza adino fa tiako ianao malalako
Tsy halakô, fa tiakô
Anao malalakô, malala

Tsy fantako na inona ny anaty fonao
Ny nanaitra ahy dia ny hatsaran-tarehy
Mety mba manam-pitia angamba ianao
Nefa tsy mahasahy miteny satria mety menamenatra
Tsy fantako na inona ny anaty fo-nao
Ny nanaitry aho dia ny hatsaran-tahery e e
Mety mba manam pitia hafa ianao
Ka tsy mahasahy miteny satria mety
Menamenatra

Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao ô
Fatahorana iano sao manam-bady
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao Sarah
Fanajana ianao sao manam-bady ô ô
ô Sarah

K’aza tezitra ianao na tsy tia
Na dia izaho miteny dia tsy mankaratsy
Fa mankasitraka ny hatsarana
Izay misy aminao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fenoamby
Hits : 7000
Likes : 0 Like
Created by : Bitika
Date : 13/12/2002 11:51
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165