Ho tia (Felaniary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo taona maro lasa,
tsy nampiova ny fitiavako anao
Ka na tsy vita aza izay kinasa,
mbola betsaka ny tokony hatao
Na mbola rivo-doza na tafiotra,
tsy hampihontsona
Fa ianao foana,
ianao hatrizay,
ianao mandrakizay.

Ka na dia mbola hisy adiady,
hatezerana
Ataovy an-tsaina foana
fa ny fitiavako tsy azo ferana
Na betsaka ny tsy tia,
na maro koa ny mpandrava
Izaho sy ianao miara-dia
dia ampy hanilika azy,
hampisava

Fa mila anao foana aho
n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana,
ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana
tsy hitiavako anao
Mandra-maty e,
izay no fetra

HO TIA anao foana aho
n’aiza n’aiza ianao
Hiantso anao foana
ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana
tsy hahatsiarovako anao
Mandra-maty e,
izay no fetra,
ny ahy sy ianao

Ka na dia mbola hisy adiady,
hatezerana
Ataovy an-tsaina foana
fa ny fitiavako tsy azo ferana
Na betsaka ny tsy tia,
na maro koa ny mpandrava
Izaho sy ianao miara-dia
dia ampy hanilika azy,
hampisava

Fa mila anao foana aho
n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana,
ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana
tsy hitiavako anao
Mandra-maty e,
izay no fetra

HO TIA anao foana aho
n’aiza n’aiza ianao
Hiantso anao foana
ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana
tsy hahatsiarovako anao
Mandra-maty e,
izay no fetra

F’ilay Ray ao ambony ao anie
no mbola hitahy
Ho fitia mandrakizay
ny anao sy ny ahy
Izay ratsy lasa taloha,
aoka hivalona
Fa raha toa tia ahy ianao,
raiso ny tanana,

Ho tia anao foana aho
n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana
ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana
tsy hitiavako anao
Mandra-maty e,
izay no fetra
ny ahy sy ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Felaniary
Hits : 3261
Likes : 2 Like
Created by : christophe17
Date : 20/03/2018 20:32
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0848