Voady (feat. Lillie) (Felaniary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto anatrehan'Andriamanitra sy ireo ambanilanitra
No anolorako ny foko sy ny momba ahy rehetra ho anao
Na faly isika na ho ory ny fitiavako haharitra
Tsy hivadika aminao mandrakizay ny foko f'efa lasanao

Hijanona aminao irery hatrany am-para fofon'aiko aho
Ka vonona hamelona hitsabo anao raha toa marary ianao
Na malahelo na manankarena isika matokisa ianao
Tsy hivadika aminao mandrakizay ny foko f'efa lasanao

Ity peratra ity no marika manaporofo ny fitiavako
Mandrakizay doria, ianao irery no tiako ry havako
Hanaja anao aho, hanao izay hahasambatra anao
Dradraiko ho ren'izao tontolo izao

Ireo zanatsika vao maika hanamafy ny fitiavako hanao
Izay holalovantsika na mafy aza hosedraiko miaraka aminao
Hanaja anao aho, hanao izay hahasambatra anao
Dradraiko ho ren'izao tontolo izao

K'eto anatrehan'Andriamanitra sy ireo ambanilanitra
Tsy hivadika aminao mandrakizay ny foko f'efa lasanao

Manaiky anao ho vady andefimandriko mandrakizay aho
Izay lalako manomboka eto mandra-maty dia ho lalanao
Ka n'inona hitranga n'inona hanjo tsy hiala aminao
Tsy hivadika aminao mandrakizay ny foko f'efa lasanao

Ity peratra ity no marika manaporofo ny fitiavako
Mandrakizay doria, ianao irery no tiako ry havako
Hanaja anao aho, hanao izay hahasambatra anao
Dradraiko ho ren'izao tontolo izao

Ireo zanatsika vao maika hanamafy ny fitiavako hanao
Izay holalovantsika na mafy aza hosedraiko miaraka aminao
Hanaja anao aho, hanao izay hahasambatra anao
Dradraiko ho ren'izao tontolo izao

K'eto anatrehan'Andriamanitra sy ireo ambanilanitra
No hilazako aminao ireo teny roa hoe "TIAKO IANAO"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Felaniary
Vangy : 1078
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 05/06/2021 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0904