Ampaherezo (Felanamanitra)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hangina aho Jesosy ô noho ny voninahitraoNa maro aza ireo mpanenjika ity mpanomponao
Satria Ianao niteny hoe : « Ho halan’ny olona ianareo »
Nohon’ny Anarako ary ho mpanompoko (bis)
Fiv : Jesosiko Malala ô, aza avelanao hiteny aho
Fa Masina Ianao Jesosy ô, Jesosy ô !
Jesosiko Malala ô, ahy ny famaliana hoy Ianao
Ampaherezo, ampaherezo, ity mpanomponao !
Ampaherezo ity mpanomponao
Aza avela ho resin’ny fakam-panahy
Tohano tsy ho reraka aho
Tsy ho kivin’onjan-dranomasina
Fa hatoky Anao tokoa tokoa
Hangina tokoa aho Jesôsy ô !
Tsy hiteny na hamaly ireny enjika
Satria tokoa fitaratra aho
Ho tarafin’izao tontolo izao
Mba hanehoana tokoa ny voninahitrao
Fiv : Jesosiko Malala ô ! … (bis)
Ampaherezo ity mpanomponao !
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : FelanamanitraHits : 2807
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 12/01/2010 08:57