Antso (Felanamanitra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ANTSO

1)Miangavy anao aho, raha mba azonao atao
Andao hidera ’lay Tompo Andriamanitrao
Miantso anao avy hatrany ka mba valio ihany
Ny antsoantsonay mitomany, no no no


2)Matoky Anao aho, Jesoa Kristy Tompo
Ianao no Fanilo, Taratry ny fiainako
Sambasambatra aho, manana Anao ato amiko
Fa madio ny làlana hizorako,mhmhmhm


*Misy ny fandrika maro hitanao eto an-tany
Na rindrim-bato na rindrim-by
Tsy mahasakana ahy
Hanara-dia an’i Kristy

Fiv: Mba jereo aho ho entiko mody
Mba tsikio aho ho fanafody
Omeo maso aho hitondrako ny Anaranao
Ho avo dia avo


3)Matoky Anao aho, Jesoa Kristy Tompo ooh,ooh,ooh
(Matoky Anao aho, Jesoa Kristy yeah!)
Ianao no Fanilo, Taratry ny fiainako...
(Ianao no Fanilo,Taratry ny fiainako...)
Sambasambatra aho, manana Anao ato amiko
Fa madio ny làlana hizorako ooh ooh ooh

*Misy ny fandrika … an’i Kristy

Fiv: Mba jereo aho … avo dia avo

Omeo maso aho hanofisako Anao…(3x)


Felanà
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Felanamanitra
Vangy : 3168
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 12/07/2004 15:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6776