Hevero ihany (Fe.Fi.Mi (Feon'ny Fifohazana Miray))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh moa fantatrao ve? Izao andro izao
No mbola variana sy sondriana ianao
Mba mieritrereta fa hoavy ny Tompo
Eh maneke mibebaha ianao
Fa aza variana na koa milalao
Ho avy ilay andro sao anenenanao

Fiverenana :
Mba miova (miova dieny izao)
Fandrao (anenenanao)
Ka aza variana manjeny izany andro izany
Meteza (havaozina ianao)
Ho tonga (ho olom-baovao)
Ka handova izany paradisa izany

Mandalo anie raha ny fiainana an-tany
Tsy maharitra fa ho potika izany
Ka saino ihany re izay hoavinao?
Izay mafy loha tsy miambina re
Dia atsipy ho may amin'ny afobe
Ka anao ny safidy izay tokony atao

Fiverenana : ...

(Anjaranao ary no misafidy) ny lanitra ve sa ny elo
(Ianao ihany no masi-mandidy) ny hoavy ka diniho ay hevero
Ny hoavy Fiainana ve sa elo???
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fe.Fi.Mi (Feon'ny Fifohazana Miray)
Hits : 50
Likes : 0 Like
Created by : Zaraina
Date : 31/10/2024 20:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785