Avahinao Aho Jeososy (FeFiMa Feon'ny Fihavanana Manarintsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AVAHINAO AHO JESOSY

1- Mijaly ny olona maro (Maro, maro)
Tomany ny olona maro
Miaina anaty aretina tsisy fahasitranana
Maro ny olona miafy (Maro, maro)
Tsisy na akanjo fitafy
Miaina hirifiry sy fiafiana lalina
Mitady vahaolana isan'andro mba te ho Salama toa anao.
Moa tsapanao?

{Refrain} : Fa izaho  dia Avahinao Jesosy o! Havaozinao isan'andro isan'andro ny fiainako.
Nefa indraindray tsy tsaroiko fa sondriana aho.
Jesosy oh Misaotra anao noho ny fitiavanao.

2- Tompo ô anio aho mahatsiaro( Ianao, miaro)
Fa Ianao tsy mitsahatra miaro
Na mandalo fisedrana aho na ady sarotra.
Tsy avelanao hiady irery (Na ho, mafy)
Na kivy efa mila ho very
Ny tananao mihazona ahy, sanatria hiemotra.
Jesosy oh na inona hitranga mahatoky (aho) fa manana anao.
Manana anao

{Refrain}...
Avahinao aho Jesosy oh, tezainao hiorina mafy kokoa.
Avahinao aho Jesosy oh, anehoanao ny fitiavanao.
Avahinao ny manompo anao, manaiky aho amin'ny fitondranao.

{Refrain}..
Jesosy oh Misaotra anao, Misaotra anao.

A/C: RF Sitraka
Mars 2024
KTLM FEON'NY FIHAVANANA MANARINTSOA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FeFiMa Feon'ny Fihavanana Manarintsoa
Hits : 116
Likes : 0 Like
Created by : Fefima
Date : 29/08/2025 19:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1211