Ny fitiavanao (Don Andriane Feat Elysa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny fitiavanao dia tsy voarefy
Be ireo fahasoavana izay nifanesy
Lalina loatra Tompo ô, ny fitiavanao
Ity aho misaotra anao ny foko hanjakao. (X2)

Ref:
Misaotra Anao Tompo ô, noho ny fitiavanao
Midera Anao Tompo ô, mpamindra fo Ianao
Ny Fitahianao mitobaka isan'andro
Midera Anao aho isan'andro isan'andro.

....

Tompo ô! ny fitondranao dia tena tsy haiko.
Lalana hitantananao ahy tsy tratry ny saiko.
Ka ny azoko antoka, dia manantena anao.
Hino ny hoaviko koa, eo an-tananao.

Ref:
Misaotra Anao Tompo ô, noho ny fitiavanao
Midera Anao Tompo ô, mpamindra fo Ianao
Ny Fitahianao mitobaka isan'andro
Midera Anao aho isan'andro isan'andro.

....

Pont:
Sambatra aho, tretrika aho ry Raiko!
Ieeh!... Notiavinao, novonjenao ny aiko.
mmmh!... Feno fahasoavanao,
Noho ny fitiavanao.
Izay no mahatonga ahy hidera Anao!!

Ref: ...

Ny Fitahianao!
Mitobaka isan'andro ô! oh ôh!
Midera Anao aho isan'andro isan'andro...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Don Andriane Feat Elysa
Hits : 779
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 05/08/2021 09:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731