Hira Faneva faha-25 taona Chapelle Militaire Catholique Antsirabe (Chorale Vetson'ny Fianakaviana Masina (VFM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tsy hainay koa ny hangina
Tsy hanandratra fisaorana ny anaranao
Noho izao taom-pitahiana
Nomenao hamelona ny Fiangonanay

Tena faly ny fonay mahazo ny soa ao an-tempolinao
Mifamela sy mifanasoa mba ho taratry ny fitiavanao

Ka redoninay ny saotra sy dera
Noho izao andro anio izao, tratry ny tsingerin-taonan'ny Fiangonanay
Ka redodinay ny hoby sy ny laza
Fianakaviana iray miray hina eto an-tany k' hatrany an-danitra

2. Ny finoana izay voampita koa
Asehonay amin'ny fitiava-namana
Hifamela sy hifanasoa
Ho Mpiantafika feno fiadanana

Ka misaotra Anao ry Ray nitahiry
Dimby amby roapolo taona izay nomenao ho vato fehizoro
Ka redodinay ny hoby sy ny laza
Fianakaviana iray miray hina eto an-tany k' hatrany an-danitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Vetson'ny Fianakaviana Masina (VFM)
Hits : 99
Likes : 0 Like
Created by : toavinasaide
Date : 16/11/2025 17:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0188