Tsy maninona (fisarahana) (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy ho eo intsony ilay fitiavana hatrizay
Raha toa hizara roa ilay fo iray
Raha toa ka ho rava izay naorintsika izay
Raha toa ka nangatsika ilay fitia
Aza asiana teny intsony fa aleo
Hivalona avy hatrany
Aza asina alahelo na arahina tomany

Aleo hijanona amin’izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia rotika ny fo

Tsy maninona raha tsy anjarantsika roa
Ny hikambana ho tena iray tokoa
Tsy maninona raha toa ka faniriana iray tsy to
Tsy isika nomandahatra mialoha
Fitiavana tsy matotra na koa
Tsy nahafehy tena satria sahy nandà izay efa nekena

Aleo hijanona amin’izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia rotika ny fo

Fa toa nifanjohy tsy nifankafoy nivoady ho doria
Kanefa rava foana teo ilay fiainandry
(Fitia tsy hifanohy....) Raha toa tsy hifanjohy tsy hifanaradia
Tsy hifampitsinjo koa raha tsy to ilay fitia... dia...

Aleo hijanona amin’izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia rotika ny fo


Tsy maninona raha toa ka faniriana iray tsy to
Tsy isika nomandahatra mialoha....
Bodo & Naivo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bodo
Hits : 12007
Likes : 4 Like
Created by : ari.malala
Date : 26/02/2007 08:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721