Anilanao (Bakomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bakomanga
Anilanao

Anilanao, no mamy ny fitia
Ity aiko, ry lala ôôô
Ny mariazy, noamasinina androany
Mandrakizay, no fetranay
Ho tena iray..........

Raha misy irony fitsapàna
Tsy mba ho kivy, na hamoy fo
Ny alitara niaraha-niondrika
Hitantana amin'ny fo, antsika roa
Ou ou ou oooooo

Ko 'rah voahisa, ny mamy hifaliana
Na indro hitranga, ny sorisory
Dimbiasan-tomany, ny fitsikina
Satria izay tsy nisy, tsy ananana
Dia mampahory
Ny fo sy ny saiko, sy ny fitiavako koa
Dia nomeko ho anao avokoa
'Zay ahy rehetra
Anao tsy misy fetra
Ho atolotro ho anao
Ary homeko ho anao koa ny aiko
Ou ou ou oooooo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bakomanga
Hits : 837
Likes : 0 Like
Created by : FabArt
Date : 25/07/2020 00:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758