hody any tananarivo (b-lôh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
mamangy mba ho vangiana é
manoratra mba ho valiana
malahelo fa tsy hita ny atao
toy zao kay ny lavitra anao
anniverserako androany
manao fety ho ahy ve ny any
andefaso akanjo vaovao zà
asio ’lay ranomanitrao

HODY ANY TANANARIVO(x4)

na tsara aza farafangana é
maresaka ivangaindrano
tiako ny anilan’i mama é
hafa ny aty an-trano
mahatsiaro tena mihitsy fa very
an-tanin’olona irery
ankehitriny izaho tsy tamana é
lavitra an’i dada sy mama

HODY ANY TANANARIVO(x4)

niasa mafy namono tena
tsy mba nisy valiny nobabena
nanantena minibus
ompa-reny angamba no nisy
tapa-kevitra @ zay ré fa hody é
hanapaka billet @ sonatra
raha toa ka tsy ampy ny frais
atao payé à l’arrivée

HODY ANY TANANARIVO
manina aho ry reto a
HODY ANY TANANARIVO
tsy hijanona eto aho é
HODY ANY TANANARIVO
nanenina aho é
HODY ANY TANANARIVO

mama ’zaho hiverina é
HODY ANY TANANARIVO
tsenao tsenao é
HODY ANY TANANARIVO
’ty zanakao mama é
HODY ANY TANANARIVO

HODY ANY TANANARIVO

____________________________________________________________
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : b-lôh
Hits : 2286
Likes : 0 Like
Created by : moumiskel
Date : 12/02/2003 13:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1207