Feno loatra (Arison Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno loatra ny fo
Mivadibadika ho lasa adala
Sahiran-tsaina mivadik’atidoha
Tsy sahy akory mankahala

Dia nandalo tao an-doha ireo hiran’ny namana
tia anao, mila anao
Niserana tanatin’ny nofy koa ireo tononkalon’ny havana
Mitantara, manoritra ny tantara

Ka ny tomany no solon’ny torimaso ny alina
Ny setro-tsigara no nisolo ireo teny lalina
Fa feno lotra, efa mihoatra , tafahoatra

Ho feno hadalana indray ny ho avinao
Ho feno hafanana bebe kokoa ny tantaram-piainanao
Dia ho levina avokoa ireo vavolombenlo’ny niarahana
Tsy hankarary, tsy hampatsiahy azy
Dia hilaozanao tokoa ireo fifaneraserana
Hanadinoana azy, tsy hampatsiahy azy

Mba tsy ho tomany intsony no ho solon’ny torimaso ny alina
Tsy ho setro-tsigara no hisolo ireo teny lalina
Mba ho fifaliana, fitsikiana, kindriandriana,

(Efa ela izy izay no nandao)
(Ianao toa tsy mety mino hatramin’izao)
(Tsy aleo ve, sa, tsy aleo ve miaina ny androany)

Rahoviana ihany no handao izany nofinofy izany ianao
Diavolana firy no ahitsidika ny varavarankelinao
Rahoviana ihany no handao izany nofinofy izany ianao
Kotrobaratra im-piry no hidona ao an-tafotranonao ao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Arison Vonjy
Hits : 3173
Likes : 1 Like
Created by :
Date : 11/10/2005 07:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727