Niserana (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niserana, nandalo ihany
Toy ny tsy teo
Ireny andro mamintsika rehetra ireny
Niezaka aho ny hanadino
Vetivety azy, hatrízao aho tsy mino
Hoe lasa izy nandao

Nifarana, tanteraka
Maty ilay afo teo
Nitsilopilopy nangatsiaka
Lefy ilay hafanana, nindaosin'ny ankaso
Resy ilay hazavana
Haizim-pito no nanjaka

Tsy hiverina intsony izy
Fa lasa nandeha
Toa lalan-kafa indray no izorany eo
Izaho navelany eto irery
Nasainy nionona
Mila tsy ho tanty, mahamay

Nivadika ilay pejy iray
Tsisy ho antenaina intsony
Lasa omban'ny lasa fanadino
Fahatsiarovana feno sary mifangaro
No hany sisa mameno
Ny omaly nandratra

Veloma ihany, tsara tso-drano
Mandra-pihaona indray
Mifarana hatreo aloha ny androany
Tapitra eo ny tantara niarahantsika
Ny ampitso no hitsara izay zava-bita
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anyah
Hits : 6886
Likes : 0 Like
Created by : joelina
Date : 28/02/2007 09:11
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108