Hatanorana (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatanorana, volamena
Mandalo ihany tsy mitombo fa mihena
Ka eo ianao araraoty
Fa na izany aza dia mitraotra

Ny ho avy koa mba kendreo ho soa
Ho tsara fiafara sy mba hanana anjara
Fa sao ianao tanora ratsy fihary
Ka antitra vao, Sendra mosary

Fitiavana, ho fantatrao
Ho sambatra ianao nefa hijaly koa
Ka ny tsy atao, ialao
Alaviro ny tena ny famoizam-po

Ny ho avy no kendreonao mba ho soa
Ho tsara fiafara sy mba hanana anjara
Fa sao ianao tanora ratsy fihary
Ka antitra vao, Sendra mosary

Mitsangana daholo é O! Olé !
Mifalia daholo é ! Olé !
Mitehaka daholo é ! Olé !
Paritaka daholo é ! Olé !


Songs & Lyrics : P.R.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anyah
Hits : 5625
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 10/01/2004 03:37
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2233