Tefeo Aho (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mety ho fijaliana sy fihafiana koa
Mety ho hafaliana sy fiadanam-po
Mety ho sedra mahamay ka haningotra ny aina
Mety ho hasambarana hampifaly ny saina

Fa ny ady izay manjo,
Fitsapana mahamay, fifaliana koa
Avy aminao izay rehetra miseho amiko
Na ny ho avy izay tsy mbola hay
Dia iriko indrindra
Tefeo aho Tompo Ô ho Anao

Ref:
Tefeo aho, tefeo aho
Raha sendra sarotra
Ny manjo ny fiainako ety
Na ny hasambaram-po
Na fifalian-tsaina sy ny tsiky koa
Raha tojo olana, tafiotra mafy izany diako
Ny hany tonom-bavako
Sy tononkirako dia ny hoe
Tefeo, TEFEO AHO Tompo Ô

2- Izay rehetra misy dia isaorako Anao
Na ny fitsapana na ny famindramponao
Ny hany masaka ao an-tsaiko dia tsotra izao
Nanefenao ahy Jesoa hifikitra Aminao

Fa ny ady izay manjo,
Fitsapana mahamay, fifaliana koa
Avy aminao izay rehetra miseho amiko
Na ny ho avy izay tsy mbola hay
Dia iriko indrindra
Tefeo aho Tompo Ô ho Anao

Ref:
Tefeo aho, tefeo aho
Raha sendra sarotra
Ny manjo ny fiainako ety
Na ny hasambaram-po
Na fifalian-tsaina sy ny tsiky koa
Raha tojo olana, tafiotra mafy izany diako
Ny hany tonom-bavako
Sy tononkirako dia ny hoe
Tefeo, TEFEO AHO Tompo Ô

*************************************
A/C RAMANANTOANINA Tolotra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Hits : 1101
Likes : 0 Like
Created by : Vutus14
Date : 01/04/2019 10:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4277