Fiainam-baovao (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mahatsapa toa reraka ianao anio
Izay rehetra natao toa tsy mety, tsy antenaina
Vahaolana tsara ho anao no lazaina
Raha vonona ianao, andramo izahao
Dia ho tsapanao

Fiv :
Mitaona anao handray vaovao mahafaly
Ao amin'i Jesoa ao
Izay fahasambarana tena mamy
Ny ao anatiny ao
Ho anao izany, ho anao izany
Raha toa ka ekenao
Izaho sy ianao, izaho sy ianao
Handray ilay fiainam-baovao

2- Antsom-pitiavany anao anio
Tsy tiany ho very ianao tadidio
F'efa niaretany ireo zioganao
Raha vonona ianao, andramo izahao
Dia ho tsapanao

Fiv :
Mitaona anao handray vaovao mahafaly
Ao amin'i Jesoa ao
Izay fahasambarana tena mamy
Ny ao anatiny ao
Ho anao izany, ho anao izany
Raha toa ka ekenao
Izaho sy ianao, izaho sy ianao
Handray ilay fiainam-baovao

...

Mitaona anao handray vaovao mahafaly
Ao amin'i Jesoa ao
Izay fahasambarana tena mamy
Ny ao anatiny ao
Ho anao izany, ho anao izany
Raha toa ka ekenao
Izaho sy ianao, izaho sy ianao
Handray ilay fiainam-baovao

T/F: Andriamanovosoa Yvon
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745