Hihira ho anao (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsy hitsahatra ny hisaotra anao
Noho ny famindram-ponao Tompo ô
Fa nomenao tombon'andro indray
Hanambara ny fitiavanao
Ka tolory ahy ny tananao
Mba hiaro sy hitantanana ahy

Refrain:
  Sitrako ny hidera anao Tompo ô
  Amin'ny andro rehetra hiainako
  Hankalaza anao Tompo Tsitoha
  Hankalaza anao amin' ny Fo
  Ka ho fifaliana ho ahy Tompo ô
  Ny hihira ho anao

2-Ka na lavitra sy sarotra
izany lalana tsy maintsy aleha
Dia hiroso ampitokiana aho
Hisafidy ny hiaraka aminao
Fa ny eo ankaikinao Tompo ô
No hasambarana mandrakizay

Antsan'i Fenomanana  
A/C : RANDRIANARIJAONA Henri
Album 5 " Hihira ho anao "
Fanevan'ny 40 taonan'ny Antsan'i Fenomanana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'i Fenomanana
Hits : 775
Likes : 1 Like
Created by : Tsiorihasinavalona
Date : 18/01/2020 22:41
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813