Paradisa (Antoko Mpihira Sarôna Imerintsiafindra Fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy toerana vaovao
Izay tsy lavitra anao
Fahasambarana
Dia ilay paradisa vao
Izay nomboariny ho anao
Ao an-danitra
Ao an-dapan'ilay Ray
No hiaonantsika rahatrizay

Efa miandry Izy eee
Ilay Jesoa Kristy
Nanao fitoerana ho antsika
Raha iala ety
Fifaliana ny any ee
tsy hisy intsony tomany
Fiadanana izany
Eo anilan'ilay Ray

Ho anao izay mbola tamana
Amin'ny fiainana antany
ho lazaiko androany
Fa mpivahiny isika ety
Tsy aharitra eto ho doria
Saino ny ho avy
Andao hokatsaka ilay
Fiainana mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Sarôna Imerintsiafindra Fiderana
Hits : 176
Likes : 0 Like
Created by : Nonnah
Date : 24/08/2025 15:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191