Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tonga indray (Antoko-Mpihira JIZRAHIA (STK FJKM Ambohijafy Fanantenana Itaosy))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Tonga indray izao 'lay andro maminayAhatsiarovana ny nahaterahanao
Nidina an-tany Hianao ho famonjena anay
Fitiavana tsisy mihoatra izany
Réfrain :
O! Mifalia sy mihobia
Fa Jesoa Tompo ilay Mesia no tonga ety
Fa tonga hanavotra hanome fiainana
Ho an'izay vonona handray Azy.
2 - Vonona ve ianao, ny handray Azy
Ny fonao hivoha no hany andrasany
Hitoetra anatinao, izay no sitrany
Hanjakan'ilay Mpanjaka ny heriny
Réfrain (2x) :
O! Mifalia sy mihobia
Fa Jesoa Tompo ilay Mesia no tonga ety
Fa tonga hanavotra hanome fiainana
Ho an'izay vonona handray Azy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko-Mpihira JIZRAHIA (STK FJKM Ambohijafy Fanantenana Itaosy)Vangy : 44
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jouradikt
Daty : 10/12/2025 15:54
