Vita ny famonjena (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Velona Jesosy Tomponay
Ka Hôsana Haleloia
Nitsangana (Nitsangana)
Sy Nasandratra (Nasandratra)
Vita ny famonjena
Inona moa no voambaranao
ka hoe tsy ho tanteraka
Menatra teo (Menatra teo)
Ilay rafinay ('Lay rafinay)
Indro foana ny fasana

Izao tontolo izao (Izao tontolo izao)
Tsy nanavahanao (Tsy navahanao fa)
Voamarina daholo na dia vesaran'ota
Voavonjy avokoa e
Sahaza anay tokoa (Sahaza tokoa)
Ny tsy hamindranao fo (tsy hamindranao fo ee)
Kanefa napetrakao hiray lova Aminao
Vitanao ny famonjena

Jesoa Mpanjakan'ny lanitra
Tefeo aho hiazonako
Ilay finoana (Ilay finoana)
Sy mba handrosoana (Mba handrosoana)
Tena ho lasa lalina
Tsy ho ela intsony, tsy lavitra
'Lay andro fampakarana
Dia toriko (dia toriko)
Hamafisiko (Hamafisiko)
Fa Ianao no famonjena

Izay rehetra tany aleha ('Zay rehetra aleha)
Dia mbola asa be (Mbola asa be fa)
Voafatotry ny sampy tsy mba misy mazava
Mila famonjena
Ny nanomboana Anao (Nanomboana Anao)
'Lay fitsangananaa-o (Fitsangananaa-o)
Am-pasahiana dia 'reo no dradraina sy toriana
Làlanao ny famonjenao

Ohh Ohh, Izao tontolo izao (Izao tontolo izao)
Tsy nanavahanao (Tsy navahanao fa)
Voamarina daholo na dia vesaran'ota
Voavonjy avokoa e
Sahaza anay tokoa (Sahaza tokoa)
Ny tsy hamindranao fo (tsy hamindranao fo ee)
Kanefa napetrakao hiray lova Aminao
Vitanao ny famonjena
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 215
Likes : 0 Like
Created by : IlayOndry
Date : 24/04/2025 02:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0335