Tsisy Iriko (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
Efitra tokoa izao tany izao
Lala-migodana iandronam-pahotana
Ka dia aleoko ihany akaikinao

Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
Ka na hety aza ny lalana
Ao ireo ondry maro no miadam-po voaaro
Tsy orin-jaza-tsoa finaritra

Ref : Ka na sakanana aza aho mba tsy hanaraka Anao
Ampy izay voalaza hoe Mpamonjiko Ianao
Tsy noho izay fitahiana marobe
Ka mainka tahaka izao
Fa mifankazatra iaraha-mandeha
Aminao Mpanavotra

Fa sarobidy amiko ilay fitiavanao lehibe
Matoky aho ka sahiko ny mamerimberina hoe
Tsisy iriko mihoatra noho Ianao

2. Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
He izany avotra aina vitanao
Na dia izay nandrora, nandatsa, nanakora
Nomenao famelan-keloka

Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
He izany hamamin'ny teninao
Tsara noho ny harena miraki-pahendrena
Manome ilay tena fiainana

Ref : ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 21
Likes : 0 Like
Created by : Solomona17
Date : 21/10/2024 12:55
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076