Ho aiza moa aho (amf androndra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nametra ny fiainako rehetra t@nao aho,
nanankina ny hoaviko mba homaninao.
Toa nanameloka ahy avy hatrany ny fisainako,
nandevona tsy ho hisy ilay fanantenako.
Nanaiky aho ny handia lalam-baovao,
hitady izay tsy hitako teo @nao,
nifindra ilay fahazavana mba nandrandraiko, nivadika ho aizina.

ref:
hinoko fa, na dia nanodina ny fiainako aza aho
hinoko fa, nijery ahy Ianao niandry vaovao.
hinoko fa, na dia ho mafy aza ny miverina @ dia, niandry ahy
Niandry ahy ilay fitia
Tsiniko fa, tsy tsapako ny herin'ny Fitiavanao,
tsiniko fa, Ianao izay tia ahy, nataoko kilalao
tsiniko fa, na dia natsiaro anao aza aho indraindray
dia toa ninia nanao izay tsy sitrakao.

Nisalasala aho, nisampantsapana nifidy
Tsy tapa-kevitra ho aiza ihany no aleako
Toa misy hery izay nisintona mafy ahy koa
Hiverina @ izay tsy nisy anao taloha,
Toa faly aho satria manao izay tiako atao,
finaritra fa be tokoa ireo lalao
Izay ataoko anefa tsy mitondra soa
hay Aminao ihany no toa.

ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : amf androndra
Vangy : 2325
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Arhiens
Daty : 06/12/2019 13:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1848