Taiza moa (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitako ianao omaly hariva
Nandehandeha
Saika mba hanatona anao aho hiteny ôôô
Tadidiko indray andro izay
Efa nihaona isika tamin’ny toeran’iray

Niahotra aho ny ho eny
Menatra angamba
Tsy sahiko indray ny hiteny ôôô
Manahy aho sao tsy ho tadidinao
Na izaho aza moa tsy mahalala ny anaranao

Ho eny aho tsy ho fantatrao
Tsy ho eny aho hanenina hoe
Rahoviana indray
Nefa koa raha hanantona ihany aho
Dia efa homaniko izay ho lazaiko aminao
Hoe fantatro, efa hitako, fa taiza moa no nahalalako anao

Raha nieritreritra iny aho
Niherika ianao
Nitsiky ianao nanantona ahy
Ooôôô
Taitra ihany aho
Taiza moa hoy ianao nanontany
Eny, tokoa, izaho indray ity no namaly

Ho eny aho tsy ho fantatrao
Tsy ho eny aho hanenina hoe
Rahoviana indray
Nefa koa raha hanantona ihany aho
Dia efa homaniko izay ho lazaiko aminao
Hoe fantatro, efa hitako, fa taiza moa no nahalalako anao

Tsy sahy nanontany hoe iza moa
’Ngamba koa tsy te handratra fo
Miandry voalohany hiteny aloha
Hoe taiza moa

Ho eny aho tsy ho fantatrao
Tsy ho eny aho hanenina hoe
Rahoviana indray
Nefa koa raha hanantona ihany aho
Dia efa homaniko izay ho lazaiko aminao
Hoe fantatro, efa hitako, fa taiza moa no nahalalako anao

(Beranto/Beranto)
Ambondrona (“Tohizo ihany” – Album 4)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AmbondronA
Hits : 12012
Likes : 1 Like
Created by : hermione
Date : 22/06/2006 11:00
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114