Tsy foinao (Amboaram-peo fanambarana (Chorale A.FA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1 :
Nivezivezy teny aho
Nanao izay rehetra azo natao
Izay hita rehetra nandramako avoakoa
Tsy mba nihevitra izay hahasoa

Soa fa teo Ianao
Tsy mba nanary na nahafoy hatrizay
Fa fitiavana no natolotra
Ka indro aho hiverina Aminao

Ref :
Mifona aho ry Tompo malala
Raiso aho fa zanaka adala
Miangavy Aminao mba diovy aho
Mba sasao amin'ny rànao

Couplet 2 :
Androany aho
Hanapa-kevitra ny hanaraka Anao
Hahafoy ireo ratsy fanao hatrizay
Sy ireo ota izay nangeja ahy

Raiso aho Tompo oh
Fa vonona ny ho diovina indray
Havaozy mba ho mendrika Anao
Ary mba ho tena malalanao.

Ref :
Mifona aho ry Tompo malala
Raiso aho fa zanaka adala
Miangavy Aminao mba diovy aho
Mba sasao amin'ny rànao

Mifona aho Tompo malala
Ka raiso aho fa zanaka adala
Havaozy mba ho mendrika Anao
Ary mba ho tena malalanao
HO ZANAKAO
TSY FOINAO...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Amboaram-peo fanambarana (Chorale A.FA)
Hits : 77
Likes : 1 Like
Created by : ChoraleAFA
Date : 20/08/2024 10:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726