Andraso andraso (Alkah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Alkah x Marovitsy x Flowjah - Andraso andraso

Marovitsy :
Mety hoe ny atidohany ve no tery
Sa ny tsy fasahiana ve no toa namely
Niandrasany teny ianao fa tsy mety tonga saina
Tofoka ny akama, tofoka ny niandry anao na dia hoe nahatamana
Aniza ny tsiny , adana sa sanana?
Hitany efa tsy lalana fa aleo hijanona ho mpiakama eh
Mijanona ho mpiakama (babe ianao tiany)
ouh ouh ouhouhouhouh (ouh ouhouhouh)
Tiany ianao fa inao tsy hainy hoe ahoana
Tiany ianao fa izy resin'ny fotoana
Tiany ianao fa inao tsy hainy hoe ahoana

Ref: Flowjah :
Elanelan-tany izaho mamela
Fahatsiarovan-tenanao no tena ela
Faharetana, izaho misy ary tena feno ah
Fa ny tsy hiandry anao hijanona ela
hoe hoe hoe
Izaho leo fa, naleonao
Niandrasanao ny ampitso
Fa izaho tsy maintsy handao

Bridge :Flowjah :
Mora ny miteny dia ho ataoko sarobidy
Saromanao ny tsika tsy hafa ny hanan-tsafidy
oh no no no no noh noh noh noh noh noh
Hialako aloa ny nenina
Fa izaho tsy andany fotoana
Ny anjara tsy mivilana , ny fitiavako io tsy miolana
Mbola ho lava ny diavolana amen ah

Alkah :
Fa efa ela aho no naniry eh
Izay no nahatonga ahy nilaza anao iny eh
Fa ianao toa tsy mba taitra sy be ambom-po tsy laitra
Raha hoe fitafy efa rovitra ihany ny zaitra
Fitiavana tsy andrin'ny maika
Hiezaka hionona ny fo na dia resy
Tsy haiko hoe inona no atao anao
Izaho koa aty efa manomboka laony
fa ianao toa tsy hilaza izay tsapanao
Ka aleo rava hoazy tampona ohatran'ny daomy

Ref:
Elanelan-tany izaho mamela
Fahatsiarovan-tenanao no tena ela
Faharetana, izaho misy ary tena feno ah
Fa ny tsy hiandry anao hijanona ela
hoe hoe hoe
Izaho leo fa, naleonao
Niandrasanao ny ampitso
Fa izaho tsy maintsy handao

Firy taona angarangidiny
Niandrasako ny safidiny
efa tsy izy hony izy
Hionona ny fo na dia resy
Resiny aho fa ho avy ny anjara any aoriana
Resiny aho fa angaha moa iny fananiana
Lesona ho anahy ilay malala tsy tiana
Baby gyal
Izaho efa elaela ihany
Namoaka ny fihetseham-poko ah
Niezaka nanambony môraly foanafoana fa ketraka ihany
Ianao tsy mety mamaly kanefa izaho manontany
Rehefa izaho manontany
ka na mbola tsy nanomboka akory aza dia avalony any

Ref: Flowjah :
Elanelan-tany izaho mamela
Fahatsiarovan-tenanao no tena ela
Faharetana, izaho misy ary tena feno ah
Fa ny tsy hiandry anao hijanona ela
hoe hoe hoe
Izaho leo fa, naleonao
Niandrasanao ny ampitso
Fa izaho tsy maintsy handao

Bridge :Flowjah :
Mora ny miteny dia ho ataoko sarobidy
Saromanao ny tsika tsy hafa ny hanan-tsafidy
oh no no no no noh noh noh noh noh noh
Hialako aloa ny nenina
Fa izaho tsy andany fotoana
Ny anjara tsy mivilana , ny fitiavako io tsy miolana
Mbola ho lava ny diavolana amen ah
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Alkah
Hits : 30
Likes : 0 Like
Created by : Mafianaty
Date : 20/05/2026 08:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0298