Story (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(ft. Tricia)

Nandalo teny amin'ny misy anareo zaho omaly
Dia nitamberina ato an-doha ireo fotoana mamy
Toa ny holatra miraikitra amin'ny foko tsy haiko fafana
Ilay fofonao iny nanaraka ahy tsy tiako hosasana.

'Reo souvenirs rehetra rehetra efa no-archiver-ko
Hohamasiniko any amin'ny archeveque
Ilay mode boto efa no-activer-ko
Fa ilay ranomaso indray no toa nameno koveta.

Mampanembonembona ahy izay rehetra hitako ô
Efa niezaka nangina aho fa tsy vitako ô
Vao mahare ny anaranao, mibitabitaka ô
F'efa leo natosika k'aleo misintaka é.

Lalantsika nizara roa
Fa zaho aty mahatsiaro
Zaho aty mahatsiaro
Ireo izay vita taloha
Toa sary mifangaro
Sary mifangaro

Fa mbola te hanohy ilay tantara
Tantara. Ehy!
Ny alahelo anao no azoko ambara
Ambara. Ehy!
Mbola te hanohy ilay tantara
Tantara. Ehy!
Na dia hoe fitia tsy anjara
Tsy anjara

Ekena
Raha izay efa vita tsy mety adino
Fifandaozantsika koa tsy mampino
Androany misambana nefa tsy manino
Tsy maninon ô

Andao fa ny thème-nay mandeha molo
Maniry hanao duo fa tsy handeha solo
Alamino ny saina fa zaho tsy hi-follow
Follow

Lalantsika nizara roa
Fa zaho aty mahatsiaro
Zaho aty mahatsiaro
Ireo izay vita taloha
Toa sary mifangaro
Sary mifangaro

Fa mbola te hanohy ilay tantara
Tantara.
Ny alahelo anao no azoko ambara
Ambara
Mbola te hanohy ilay tantara
Tantara
Na dia hoe fitia tsy anjara
Tsy anjara

Mahita Story-anareo roa
Tsy afenina fa marary ny fo
Ay
Marary ny fo
Nefa akory atao.
Hatramin'izao zah toa jaloux
Nefa aoka aloha
Zah koa tsy hitanao
Hitalaho

Tsy afaka ny hanery anao ho tia anahy
Ty koa tsy natao hifamaliana
Very Beyoncé aho hahita Rihanna
Dia na mamy aza ny lasa tsy itodihana

Lalantsika nizara roa
Fa zaho aty mahatsiaro
Zaho aty mahatsiaro
Ireo izay vita taloha
Toa sary mifangaro
Sary mifangaro

Fa mbola te hanohy ilay tantara
Tantara. Ehy!
Ny alahelo anao no azoko ambara
Ambara. Ehy!
Mbola te hanohy ilay tantara
Tantara. Ehy!
Na dia hoe fitia tsy anjara
Tsy anjara.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Agrad
Hits : 790
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 02/10/2023 20:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726