Aleo handeha (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ALEO HANDEHA LYRICS

Ref :
Na manaintaina aho,mbola manantena
Hoe indray maraina a,Ho avy ilay Fandresena

Fa ny azo atao aloha ,dia atraka ny loha
Dia avelao handeha izay rehetra nandratra fo

Couplet 1 :

«  Dia mbola vaovao amlah ve fa ny tany  misotasota
F'inona moa no tsy Efa niainana na eson-teny na ompa
Ny onja mitopatopa ka ny koziko ny ahy dia tsotra
Miaraka @ fotoana e, tsy hisy marina tsy hipoitra

Misy kozy tsy matsiro fa meteza ialahy ho tony
Tsy ho resin'ny fankahalana , tsy ho difitry ny lonilony
Ny tanjona hikipiana, Ny blem hitsikiana
Ny resy mamaly faty, Mpandresy mody mangina

...F'ialahy raha mitoka-monina iny tsy sanatria hoe boka
Fa lesona ny akama maro be izay nilokaloka
Hoe tsy hifamela, tsy ho toy ny Kaina sy Abela
Fitambarana ny rehetra rehetra ankoatran'ny ampela...

... F'aleo handeha ny karavasy sy ny pilotra
Mbola ho dimbiasan'ilay fiainana mafilotra
Fa raha misy fahalavoana ,
Tsy mba ialahy ilay mitaraina
Miarina hoatran'ny tsy teo dia ny ambony no andrandraina....

           { REf...}
2e Couplet
... Fahombiazana tsy ho an'ireo manana fijery marivo
Ny blem anankiray fa ny vahaolana io arivo
Ampahatsiahivo, tsy vao izao ny lalan'ialahy no feno lavaka
Tsy vao izao koa ny fiaretana no nataon'ialahy firavaka

... Fa Ataovy tarigetra ny hoe mba mioty aloha vao miato
Fa ny lalan'ny mpandresy tsy maintsy hoe misy vatovato

... Misy maso mivotirika, Zato lahy mijajirika
Minoa anah fa ialahy iny tsy maintsy mahita irika

Fahakiviana halaviro , Fiaretana fikiro
Fandresena koa raha omena fotsiny  lesy tsy matsirooo...
Misy fotoana raparapa, Fa ilaiko ialahy tsy miapa
Fa raha milavo lefona eo hitsiofan'ireo bapampa.

... Dia raha misy fahadisoam-panantenana fongory
Fa ny tavan'ialahy raha kotsa ,tsy sanatria tomany lesy fa ranomason-tongolo

Tsisy tsara mihoatran'ny zavatra azo tamin'ny herim-po
... Dia raha mihemotra indray mandeha ialahy mila mandroso indroa ...
                 {... Ref...}

Dalgoh
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Agrad
Hits : 271
Likes : 2 Like
Created by : Dalgoh
Date : 13/07/2024 17:45
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719