TSY HO TAKATRO MIHITSY (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho takatro mihitsy Jesoa
Ny anton'izay ataonao
Ka na dia marary aza izany
Na dia mampitomany
Dia ekeko avokoa izay lazainao
Ny fandaminana ataonao
Manaiky aho ny hatoky hatrany
Hiandry Anao ihany ho'ah

Koa mifona aho raha be fanahiana
Fa tratry ny tsy fisiana
Ndraindray be famaliana
Fa androany aho hianatra hangina
Tsy izay tiako Jesoa no atao
F'aoka izay sitrakao re,
F'iza moa ity izaho e,
No hoe hibaikobaiko Anao ?

Tsy ho takatro mihitsy Jesoa
Ny anton'izay ataonao
Ka na dia marary aza izany
Na dia mampitomany
Dia ekeko avokoa izay lazainao
Ny fandaminana ataonao
Manaiky aho ny hatoky hatrany
Hiandry Anao ihany ho'ah

Koa mifona aho raha toa mitomany
F'ohatran'ny hoe manambany
Manome tsiny hatrany
Fa malemy aho fa fantatrao ihany
Ianao mahafantatra ahy loatra
Mpanome ahy mihoatra
F'Ianao raha tsy mamaly
Fantatro hoe : tsy mahasoa ahy izany

---- feon-kira -----

Tsy ho takatro mihitsy Jesoa
Ny anton'izay ataonao
Ka na dia marary aza izany
Na dia mampitomany
Dia ekeko avokoa izay lazainao
Ny fandaminana ataonao
Manaiky aho ny hatoky hatrany
Hiandry Anao ihany ho'ah

AFA Choir 2024
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251