Iza no atahorako ? (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza moa no atahorako ?
Iza moa no angovitako
?
Fa Jesoa no aroko
Tsy mangina ny lalako
Olona va sa olana
?
Fanahy ratsy sa fasana
Rehetrarehetra io feheziny
Tsy maharesy ny heriny

Fiv :
Jesoa Kristy no heriko
Jesoa Kristy no fiainako
Izy no antony hahavelomako
Teniny ihany no arahiko

Jesoa Kristy no heriko
Jesoa Kristy no fiainako
Hafaliana hatrany no hiainako
Satria Izy no namako

2) Na hamaky ny aizina
Na handia rano lalina
Rehefa Izy maniraka ahy
Tsy hatahotra aho tsy hanahy
Iza moa no atahorako ?
Iza moa no angovitako ?
Fa Jesoa no aroko
Tsy mangina ny lalako

Fiv :
Jesoa Kristy no heriko
Jesoa Kristy no fiainako
Izy no antony hahavelomako
Teniny ihany no arahiko

Jesoa Kristy no heriko
Jesoa Kristy no fiainako
Hafaliana hatrany no hiainako
Satria Izy no namako
Hafaliana hatrany no hiainako
Satria Izy no namako

AFA Choir 2023
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
Hits : 418
Likes : 0 Like
Created by : Ckaye
Date : 22/10/2023 15:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0777