Hosana (Adilia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay kely hery ihika hoe:
Mahery aho ao Aminy
Ny mahantra omeny harena
Zava-mahagaga no ataony

Ta(o a)n-davaka aho nakariny
hiantoraka eo an-tsadriny
Hoderaiko mandrakizay
Ho hiraiko ny famonjeny

Hosana, Hosana
Na ny Zanak'ondrin'ny Ray
Hosana, Hosana
Maty fa velona indray

Hosana, Hosana
Na ny Zanak'ondrin'ny Ray
Hosana, Hosana
Zava-mahagaga no nataony ho ahy

Niara maty taminy aho
Ny otako naleviny
Nantsangany ho olom-baovao
Hiara-belona Aminy

Ilay loharano velona
No indro namontonsany ahy
Miboiboika ao anatiko ao
Ho fiainana mandrakizay

Hosana, Hosana
Na ny Zanak'ondrin'ny Ray
Hosana, Hosana
Zava-mahagaga no nataony ho ahy

Niara maty taminy aho
Ny otako aleviny
Nantsangany ho olom-baovao
Hiara-belona Aminy

Hosana, Hosana
Na ny Zanak'ondrin'ny Ray
Hosana, Hosana
Zava-mahagaga no nataony ho ahy

Izay kely hery ihika hoe:
Mahery aho ao Aminy
Ny mahantra omeny harena
Zava-mahagaga no ataony
--------
Link:
Comments
mekana ( 25/01/2019 17:54)
nahitsiko ny tsipelin-teny
ikalamako ( 02/02/2019 21:09)
@mekana : misaotra
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Adilia
Hits : 15902
Likes : 6 Like
Created by : Htax
Date : 20/10/2015 15:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734