TIA AHY JESOSY (Adilia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah tia ahy taloha nifofo ahy ny fitiavany
Nilofika aho satria babon’ny indrafony
Sy ny herin’ny fiantrany
Nefa tampoka teo
Raha mbola tsy nahafantatra aho
Ny herim-boninahitrao nameno ahy
Nisokatra ny masoko, endrey ny hatsarany
Sy ny haben’ny fitiavany nomeny ahy
Ay Izy tia ahy foana hay miandry ahy foana Izy
Hay tiany hatrany aho

Tia ahy Jesosy tia anao Jesosy
Tia ahy Jesosy tia ahy
Nosolony ny avy Aminy aho Izy no heriko
Hampandresy ahy sy hanandratra avo ahy
Ka dia feno ny fahasoavany eo Aminy
Dia ny tany sy ny lanitra nihao nifamory
Mibitaha ry foko fa nandre ny antsony
Tsy asiko nenina fa torotorom-pitiavana aho
Jesosy

Tia ahy Jesosy tia anao Jesosy
Tia ahy Jesosy Tia ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Adilia
Vangy : 2672
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 13/11/2018 10:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8056