Sitrakao ve ny hiarak'amiko? (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sitrakao ve ny handray ny tànako
Hitantana anao, hiaraka amiko

Hamakivaky irý làlan-tsarotra irý
Làlan-tsarotra, làlan'ny fitia.

Raha toa ka tena fitiavana tokoa
Fa tsy kitoatoa no omenao ahy
Dia vonona aho, vonona aho ho namanao
Hiaraka tsy hifandao, hamakivaky fiainana.

Refr: Tsy harena be na bika aman-tarehy
        No entina mitia, sanatria
        Fa fo anakiroa mifanara-doha
        Tsy manan-dolom-po
        Mitambatra ho iray mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 3814
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/02/2015 00:41
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0294