Rakoto matilo (Ny Railovy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hotakona tsy hotazana any ambadika any ho any ilay tanànakoHo saraka tsy hohita hanoloana ny tavako ireo havako
Hofan-tànan’olon-tiana, kopakopaka mosara no nilaozako
Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro no vantaniko
Any an-dranomasina any ambany lanitra mangina no honenako
Alin-kitana amam-bolana sy rivotra madio no mba làlako
Eny an-tokontanin-tsambo miaraka amin’ny gitara no hiràko
Ireo hira izay fikaloko, ny hirahirantsika tena mamiko
Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo
Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao Rakoto matilo
Là là là ....
Raha sendra embonembona any ho any ka voatonona ny anarako
Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro
Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako
Isan’andro vao mifoha, na alina hatory, ho voajeriko
Eny taona maro angamba, any volana tsy voafetra no hiverenako
Ka aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana ny anjarako
Amin’izay fotoana izay hifampiatoraka isika hifamihina
Ho eo imolotro indray ireny teny mamintsika fahizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny RailovyVangy : 6420
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Harilala Razafindranaivo
Daty : 20/11/2004 16:34