BAO (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro be ireo olona efa fantatro tarehy
Hitako matetika hitako eny an-dalam-be
Saingy ny akiray izay ho lazaiko anao
Tanora tompon-tany mbola tsy fahitanao

Mba iza moa no anarany azafady lazao
sao mba fantatray ka mety gaga ianao
Ny anarany tsy fantatro fa raha toa tianareo
Raha manahirana anao dia ataovy hoe : BAO

BAO dia tovovavy tena Malagasy
Mitafy lamba lava, fotsy, maontina sy gasy
Ny halava, ny fijoro dia Bodovoahangy indrindra
Toy ny miss Majunga, raha bika no harindra
Ny fitsiky, ny tarehy raha azoko ambara
Ahatsiarovanao ilay miss Tulear

(Bao dia Malagasy) Raha jerena avy hatrany
(Bao dia Malagasy) Mahafinaritra aok’izany
Na bika na tarehy toa tsapako sahady
Tena zazavavy tsy fahita andavanandro
BAO ah!...

BAO ah!
Aiza ianao re ry BAO ah!
Hilazako vaovao ah!
Raha ho any an-tsena ianao ah!
Aiza ianao re ry BAO ah!....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 9714
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HASINA
Daty : 30/06/2002 09:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0413