Mitotototo (Rossy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitotototo fa mafy ny adyTsy maintsy mitady fa mamelom-bady
Tsy habobo, tsy lainga fa marina zany
Vola mifehy ny fiainana an-tany
Be ny kabary hanafenana izany
Raha ny zava-misy efa iaraha-mahita
Ny ambany dia iny fa ambany eny ihany
Manana kosa vao miha-mihatafita
Rafitra miangatra izany ry tary
Ka inona ny ady amin’izany, lazao
Avela hanjaka va re r’ilaikary
'Tsika hitrongy vao homana lava ohatr’izao
Sa kosa hijoro hitafy ny mena
Hitaky ny zon’ny voageja eran-tany
Tsy maintsy handrobaka ilay fandresena
Mivoaka ny mason'ny leo mitomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RossyVangy : 2575
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/03/2015 00:08