Hiala (ROLF)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be ny olom-bizaka, te-hiova fiainanaMieritreritra fa hoe:"any an-kafa no ho sambatra aho ô"
Mba hevero tsara anie, ny hilaozanao no be
Izay miandry aloha tsy hay fa ny andeha no mahamaika anay
Ka te hiala izaho ô, hifindra toerana
Handeha izaho ô, dia tsy hiverina
Hihetsika aho ô, hanavao hevitra
Ny fandalovako eto an-tany, ho adinon’ny tomany sy ny aloka
Be ny olona mandrevy, te hiaina fianam-bazaha
Ry zareo koa anie mandrevy zavatra hafa hoatran’ny anao ô
Tsy mety faly isika rehetra, na ny manana na ny ritra
Tsy maintsy matin’ny hetahetan’izay tsy mbola anànana
Ka te hiala izaho ô, hiova toerana
Handeha izaho ô, dia tsy hiverina
Hihetsika aho ô, hanavao hevitra
Ny fandalovako eto an-tany, ho adinon’ny tomany sy ny aloka
Be ny olona izay kivy, leo ilay toerana misy an’azy
Mahita sary be loko sy jiro, dia vao mainka maizina ny an’aho ô!
Jereo anie i lery, manana an’io, maninona aho no tsy manana
Ny misy ahy ve no tsy mety sa....izaho?Ah te-hiala aho
Ka te hiala izaho ô, dia tsy hiverina
Handeha izaho ô, dia tsy hiverina
Hihetsika aho ô, hanavao hevitra
Ny fandalovako eto an-tany, ho adinon’ny tomany sy ny aloka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : ROLFVangy : 4905
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Izaho
Daty : 01/12/2003 04:56