Hadisoako (Luchass Raz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako daholo ireny tany ampiandohany ireny e
'Tsika sy ianao mbola hafa raha mpifankatia tamin'ireny e
Dia hoy ianao hoe ianao ho ahy irery e
Fa ny antsika ny fitia tsy natao an-tery e
Ka be ireo ditra, revy sy ny toaka
Izaho rehefa mamo dia midegôba
Mila tsy ho zakanao mihitsy angaha ny hamamoako
Indraindray ianao tezitra dia mitomany mitoloko
Maro ireo vono, daroka izay nahazo anao
Nefa tsy mba fantako akory hoe marary ianao
Nefa indro sendra tsy nahy voadona mafy ianao
Dia nitondra aretina sy nampiditra hopitaly anao.

Neny nadia lasa aza
Ianao dia mba tsarovy zao.
Na dia fahafatesana aza no mampisaraka an'izaho sy ianao
Nefa na dia izany aza hadinonao fa ny foko anie ka mbola tia anao

Ankehitriny voa nenina ireo zava-nataoko taminao
Toy ny vono sy daroka izay  nahazo anao aho
Fa hifonako aminao dia mbola mahare ianao
Fa raha ny tenin'ny dokotera dia tsy ho ela intsony ianao dia handao
Noho izay aretina izay nahazo anao
Ao fa hifonako aminao ireny zava-bita ireny.
Ao fa hiezaka izaho hitaiza ny zanantsika
Fa izay mianaka mbola manantena ny fitiavanao.

Neny nadia lasa aza
Ianao dia mba tsarovy zao.
Na dia fahafatesana aza no mampisaraka an'izaho sy ianao
Nefa na dia izany aza hadinonao fa ny foko anie ka mbola tia anao
Na dia mafy aza izany tsy ho kivy akory (fa ny ditrako ihany no nahatonga izany)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Luchass Raz
Vangy : 1445
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/10/2018 22:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179